Ny fiangonana
Kristadelfiana
(Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin'i Kristy)
Fampahafantarana
ny fikambanana mifototra amin'ny Baiboly.
izay nataon'i Rob J.
Hyndman.
1. Modely tamin'ny taonjato
voalohany
Ny
fiangonana Kristadelfiana dia antokom-pivavahana kely izay miezaka miverina
amin'ny finoana sy ny fombafomban'ny fiangonana Kristiana voalohany tamin'ny
vanim-potoan'ny Testamenta Vaovao. Ny anarana hoe "Kristadelfiana"
dia efa nampiasaina nandritra ny 150 taona. Avy amin'ny teny Grika roa no
niavian'izany teny izany, izay midika hoe "Mpirahalahy sy Mpirahavavy ao
amin'i Kristy"
(Matio 23:8; Kolosiana 1:2; Hebreo 2:11)
Firenena
120 no misy anay maneran-tany ary misy sampana lehibe an'ny Fiangonana Kristadelfiana any Angletera, Aôstralia, Nouvelles-Zélandes,
Amerika Avaratra, Inde, Azia ary Afrika. Tahaka ny Kristiana tany am-boalohany,
izahay dia mivory any an-trano, na any amin'ny efitrano nofaina ary,
indraindray, mivory any amin'ny efitrano malalaka izay anay manokana.
(Asan'ny Apostoly 1:13-14; 2:46-47; 18:7;
19:9; 28:30)
Izahay
dia manaraka ny modelin'ny fikambanana laīka taorian'ny taonjato voalohan'ny
fivavahana Kristiana. Ny vondrom-bavaka tsirairay dia antsoina hoe
"fivoriam-bavaka" (teny Grika "ecclesia" ao amin'ny
Testamenta Vaovao izay manondro ny fiangonana). Izahay dia tsy manana mpitondra
fivavahana voakarama na ambaratongam-pitantanana ao amin'ny fiangonana. Ny
mpikambana ao amin'ny vondrom-bavaka tsirairay dia mifampiantso hoe
"rahalahy" na "rahavavy", ary mandray anjara amin'ny
fikarakarana ny hetsika izay ataonay rehetra.
Ny mpikambana rehetra dia manome maimaim-poana ny fotoanany sy ny heriny
ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Ny firahalahinay dia voafatotrin'ny
finoana mafy iombonana.
(Romana 12:4-8; 1 Korintiana 12:4-27;
Galatiana 3:28)
Izahay
dia manaiky ny Baiboly ho toy ny mpitarika tokana anay ary mino fa
tenin'Andriamanitra izay avy amin'ny fitaoman'ny Fanahy izy io. Ny maha-mpikambana dia misokatra ho an'ireo izay mitovy finoana amin'izany
rehefa avy atao batisa (asitrika tanteraka ao anaty rano).
2. Tantara fohifohy
Maro
amin'ireo mpino hatramin'ny andron'ny apôstôly no nihazona ny finoana tahaka ny
an'ny Kristadelfiana. Maro tsy tambo isaina ireo vondrom-bavaka maneran-tany
izay nianatra tamim-pahazotoana ny Baiboly ary nanaiky ny fampianarany tsotra.
Ny
finoana sy ny fombafomban'ny Fiangonana Kristadelfiana dia azo zohina nanomboka
tao amin'ny Testamenta Vaovao ka hatramin'ireo Kristiana tany am-boalohany
indrindra tamin'ny Taonjato1 sy faha 2 tao amin'ny antotan-taratasy tahaka ny
Taratasin'i Clement sy ny Didase ary ny Fiekem-pinoan'ny Apôstôly.
Niaraka
tamin'ny fipoiran'ny fahafahana ara-pivavahana tany Eôrôpa nandritra ny
Fanavaozana tamin'ny Taonjato faha-16 dia niseho tao amin'ireo antokon'olona
mpandala ny Baiboly toy ireo Anabatista Soisa sy Sosiniana Poloney indray ireo finoana sy fombafomba ireo. Ireo
Batista Anglisy taloha dia nanana finoana mitovy amin'izany (eny fa na dia tsy
mihazona ireny finoana ireny intsony aza ireo Batista amin'izao andro izao).
Tamin'ny Taonjato faha-18, maro tamin'ireo mpitarika lehibe tao amin'ny
vanim-potoan'ny Fahazavana tahaka an-dry Sir Isaac Newton sy William Whiston no
nihazona ireny finoana ireny.
Nanomboka
tany ho any amin'ny taona 1830 ny hetsiky ny Fiangonana Kristadelfiana
moderina, tamin'ny vanim-potoana izay nisian'ny fifohazana sy ny fanavaozana
tany Amerika sy tany Angletera. Tany Amerika, ny dokotera iray atao hoe John
Thomas dia namoaka ilay Fanambaran'ny Fanjakana (Herald of the Kingdom) izay nampiseho ny fampianaran'ny Baiboly
momba ny fitsanganana amin'ny maty sy ny Fanjakan'Andriamanitra. Tany
Angletera, ny mpanao gazety iray antsoina hoe Robert Roberts dia nitondra izay
hevitra izay ihany tao amin'ny Masoivohon'ny Vanim-potoana Hoavy (Ambassador of
the Coming Age). Tsy nilaza ny tenany nahazo fahitana na fanambarana ho an'ny
tena manokana i Thomas sy Roberts fa niezaka fotsiny ho mpianatra Baiboly
marina.
Rehefa
vaky ny Ady An-trano tany Amerika tamin'ny 1861, ireo fikambanana Kristiana izay
tsy niady dia notakiana mba hisoratra anarana ao amin'ny governemanta
Iombonan'ny fanjakana tavaratra. Sam Coffman sy ny rahalahy hafa tany
3.
Ny finoanay
Ny
Baiboly
Izahay
dia mino fa ny Baiboly irery no hany hafatra nambaran'Andriamanitra ho an'ny
olombelona, ary nomena mba hitarika ny tsirairay ho amin'ny finoana sy ny
fahatokisana an'Andriamanitra sy ny Zanany. Ny Baiboly irery no hany fahefanay ary tokony vakiana amim-bavaka
sy amim-pahamalinana izy io amin'ny fotoana rehetra mahamety izany.
(2 Timoty 3:16-17; 1 Petera 1:10-12; 2
Petera 1:20-21; Asan'ny Apostoly 17:11; Efesiana 2:20; Romana 16:26)
Andriamanitra
Andriamanitra
iray ihany no misy ary mandrakizay sy tsy mety maty Izy. Jesosy Kristy irery no
hany zanany lahitokana ary ny Fanahy Masina no heriny.
(Deotornomy 6:4; Lioka 1:35; Asan'ny
Apostoly 1:8; 1 Korintiana 8:6; 1 Timoty 1:17; 2:5; 6:16)
Ny olona
Ny
olona dia mety maty ary mpanota eo anatrehan'Andriamanitra. Ny sazin'ny ota dia
ny fahafatesana izay fiafaran'ny fiainana rehetra.
(Jeremia 17:9; Marka 7:21-23; Romana 3:23;
Jakoba 1:13-15; Mpitoriteny 9:5,10; Salamo 115:17; 146:4)
Fanantenana
Ny
hany fanantenana ho amin'ny fiainana aorian'ny fahafatesana dia ny
fitsanganan'ny tena amin'ny maty sy ny fiainana mandrakizay ao amin'ny
fanjakan'Andriamanitra eto ambonin'ny tany.
(Salamo 49:12; Jaona 11:25-26; Asan'ny
Apostoly 24:15; Romana 8:22-39; 1 Korintiana 15:12; Apokalypsy 5:10; 20:4)
Ireo Fampanantenana
Ny
Filazantsara dia tsy azo sarahina amin'ny fampanantenana izay
nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama sy Davida tamin'ny fotoan'ny Testamenta
Taloha. Ireo fampanantenana ireo dia tanteraka tao amin'i Jesosy Kristy.
(Asan'ny Apostoly 13:32 sy Genesisy
13:14-17; 22:15-18; 2 Samoela 7:12,16; Lioka 1:31-33; Galatiana 3:6-9,16,26-29)
Jesosy
Noho
ny fitiavany dia nandefa ny zanany, dia i Jesosy ilay olombelona izany, tety
ambonin'ny tany Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona amin'ny
fahotany. Ireo izay mino azy dia tsy ho
faty, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
(Matio 1:20-21; 3:17; Lioka 1:35; jaona
3:16)
Ny sorona nataon'i Kristy
Jesosy
dia tsy nanam-pahotana. Maty Izy mba anehoana ny fahamarinan'Andriamanitra sy
amonjena ireo izay nandray io sorona io tamin'ny alalan'ny finoana.
Nantsangan'Andriamanitra tamin'ny maty Izy ka nomeny ny tsy fahafatesana
mandrakizay ary nafindrany taminy ny fahefana rehetra tany an-danitra sy tety
an-tany, ary nametraka Azy ho mpanelanelana an'Andriamanitra sy ny olona.
(Romana 3:21-26;; Efesiana 1:19-23; 1
Timoty 2:5-6; Hebreo 4:14-46)
Ny Fiverenan'i Kristy
Hiverina
ety an-tany tsy ho ela indray i Jesosy. Ka hanangana ny maro amin'ireo maty Izy
sy hitsara azy ireo miaraka amin'ny velona ary hanome fiainana mandrakizay
an'ireo izay mahatoky ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
(Daniela 12:2; Matio 25:31-34; Lioka
21:20-32; Jaona 5:28-29; Asan'ny Apostoly 1:11; 2 Timoty 4:1; Apokalypsy 22:12)
Ny Fanjakan'Andriamanitra
Ny
Fanjakan'Andriamanitra dia haorina eto ambonin'ny tany. Jesosy no ho
mpanjakan'i Jerosalema; haneran-tany ny fanapahany ary hitondra fahamarinana sy
filaminana mandrakizay ny fanjakany.
(Salamo 72; Isaia 2:2-4; 9:6-; 11:1-9;
61:1-11; Jeremia 3:17; Daniela 2:44; 7:14,27; Asan'ny Apostoly 3:21)
Ny Lālan'ny Famonjena
Ny
lālana idirana mankany amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia amin'ny alalan'ny
finoana. Tafiditra ao anatin'izany ny finoana ny Baiboly sy ny fankatoavana ny
zavatra takiany dia ny hoe: miaiky ny fahotany ny lehilahy sy ny vehivavy
rehetra, mibebaka sy atao batisa ary manaraka amim-pahatokiana an'i Jesosy.
(Matio 16:24-27; Marka 16:16; Jaona 3:3-5;
Asan'ny Apostoly 2:37-38; 4:12; 2 Timoty 3:15; Hebreo 11:6)
4. Fahasamihafana
sasantsasany lehibe
Matetika
dia anontanian'ny olona izahay hoe: "Inona no mahasamihafa anareo
amin'ireo fikambanana Kristiana hafa?" Ankoatra ny fandaminana miavaka
izay misy ato aminay (tsy misy mpitondra fivavahana na
ambaratongam-pitantanana), dia maro amin'ireo foto-pampianaranay no somary
miavaka amin'ny an'ny ankamaroan'ny fiangonana.
Izahay
dia mandā ny foto-pampianarana momba ny Trinite, izay nivoatra taorian'ny
fahafatesana sy ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty noho ny fifandirana nisy
tanatin'ny fiangonana (Konsilin'i Nise, 325 taorian'i J.K). Ny Baiboly dia
mampianatra fa Zanak'Andriamanitra i Jesosy saingy na aiza na aiza ao dia tsy ahitana ny firesahana ny momba ny
"fisiany mialoha" tany an-danitra amin'ny maha-"Andriamanitra
Zanaka" azy. Ny Trinite dia mampihen-danja ny asan'i Kristy amin'ny
alalan'ny famerana ny tolona nataony ho fanoherana ny fahotana sy ny tena
fisian'ny fahafatesany. Fa raha toa ka Andriamanitra izy dia tsy afaka
nalaim-panahy na afaka ho faty.
(1 Timoty 2:5; 6:16; 1 Korintiana 11:3;
Hebreo 5:8; Jakoba 1:13)
Izahay
ihany koa dia mandā ilay hevitry ny maro momba ny "fanahy tsy mety
maty" izay mankany an-danitra rehefa maty. Ny Baiboly dia mampianatra fa ny hany
fanantenana ho amin'ny fiainana
mandrakizay dia ny fitsanganana amin'ny maty rehefa miverina indray i Jesosy ka
hiara-hiaina aminy mandrakizay any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
(Jaona 3:13; Asan'ny Apostoly 2:34; 1
Tesaloniana 4:16)
Izahay
dia mino fa ny batisa dia tena ilaina rehefa avy mino sy manaiky ny filazantsara
ny olona. Ny famafazana rano ny zazakely dia tsy batisa.
(Jaona 3:5; Kolosiana 2:12; 1 Petera 3:21)
Izahay
koa dia mino fa mampiasa ny teny hoe "devoly" ny Baiboly ho
tandindon'ny toetra maha-mpanota ny olombelona, noho izany, izahay dia mandā ny
foto-pampianarana momba ny mpaka fanahy izay tsy takatry ny saina.
(Isaia 45:7; Marka 8:33; Jaona 6:70; Hebreo
1:14)
5. Ny lālan'ny fiainantsika
Ny Baiboly: boky torolālana
ho an'ny fiainana
Ny
Baiboly dia manome torolālana mahomby ho an'ny fiainantsika. Ny fomba mahazatra
eo anivon'ny Fiangonana Kristadelfiana dia ny mamaky Baiboly isan'andro ka
mampiasa drafitra famakiana izay manampy anay hamaky amin'ny fomba maty paika
indray mandeha isan-taona ny Testamenta Taloha ary indroa isan-taona ny
Testamenta Vaovao. Maro ny mamaky
mihoatra lavitra noho izany.
(Romana 15:4; 1 Tesaloniana 2:13; Jakoba
1:22; 2 Timoty 2:15)
Vavaka
Izahay dia mivavaka amin'Andriamanitra, ilay
Raintsika any an-danitra, amin'ny anaran'i Jesosy Zanany araka ny ohatra
napetraky ny Testamenta Vaovao sy ny torolalan'i Kristy. Jesosy no mpisolovava
anay amin'ny vavaka ary mahalala ny fahalemenay. Ny vavaka izay atao manokana
sy atao ao amin'ireo fivorianay dia ampahany manan-danja tokoa eo amin'ny
fiainanay.
(Jaona 15:16; 16:26; Romana 8:26,34; Hebreo
4:15; 1 Jaona 2:1)
Asa
Araka
ny fampianarana sy ny ohatra napetraky ny
(1 Timoty 5:8; 2 Tesaloniana 3:6-12)
Fianam-pianakaviana
Ny
fifandraisana eo amin'ny mpivady dia ampitahaina amin'ny fifandraisan'i Kristy
amin'ny fiangonana. Noho izany, ny
fanambadiana dia tokony ho raisina ho zava-masina tokoa. Ny ankizy dia taizaina
ao anatin'ny fahalalana an'Andriamanitra ka manatrika ny Sekoly Alahady sy ny
famakiana ny Baiboly isan'andro miaraka amin'ireo ray aman-dreniny. Ny zokiolona dia sady karakarain'ny
fianakaviany no karakarain'ny firahalahiana.
(Efesiana 5:22-33, 6:4; 1 Timoty 5:4)
Fanomezana
Ny
Fiangonana Kristadelfiana, ny olona tsirairay
avy sy ny fikambanana miaraka, dia samy mandray anjara amin'ny asa
fanasoavana sy ny fanomezana avokoa. Ohatra, izahay dia manana trano fitaizana
sy tranom-bahiny maromaro izay natao ho an'ny beantitra.
(Galatiana 6:10; Jakoba 1:27, 2:15-16;
Matio 6:1-4; Jaona 6:26)
Izahay
dia tsy mitaky ny fahafolonkarena (fanomezana ny 10% amin'ny fidiram-bolanay ho
an'ny fiangonana) satria ny fahafolonkarena, ao amin'ny Testamenta Taloha, dia
tokony nomena ny mpisorona (taranak'i Levy) izay efa nofoanana
ankehitriny. Ny fampianaran'ny
Testamanta Vaovao dia hoe mila malala-tānana amin'ny fanomezana, saingy tsy
mamaritra habetsahana mazava tsara kosa izany.
(Nomery 18:24; Hebreo 7:1-28; 2 Korintiana
9:7; 1 Timoty 6:18)
Ny Finoana sy ny
Fahasoavana
Izahay
dia miezaka ny miankina tanteraka amin'Andriamanitra ary mampivelatra ny
finoana izay mitarika amin'ny vavaka sy amin'ny asa tsara. Etsy andanin'izay
koa anefa, izahay dia manaiky fa ny famonjena dia avy amin'ny alalan'ny
fahasoavana.
(Efesiana 2:8)
Miaraka
amin'ny fanampian'Andriamanitra, izahay dia miezaka ny mankasitraka sy mankatō
azy isan'andro, ary miezaka ny manahaka an'i Kristy izay nankatō
tamim-pahatokiana tanteraka ny Rainy.
Noho izany, izahay dia miezaka hampiseho fifaliana eo amin'ny asa,
hahatoky eo amin'ny fanambadiana, halala-tānana eo amin'ny fanomezana,
hanokan-tena amin'ny fitoriana ary hifaly ao amin'Andriamanitray.
6.
Ny finamanana, ny fiderana ary ny fijoroana vavolombelona ao aminay.
Fivoriana
Izahay
dia mivory indray mandeha isan-kerinandro mba hidera an'Andriamanitra sy
hahatsiaro ny sorona nataon'i Jesosy Zanany amin'ny alalan'ny famakiana ny mofo
sy ny fisotroana ny divay. Ireo
mpikambana vita batisa rehetra dia mandray ny mofo sy ny divay.
(1 Korintiana 11:23-26; 12:13; Matio
26:26-30)
Ankoatra
ny fandraisana ny mofo sy ny divay, io fivoriana io dia miompana amin'ny
vavaka, ny famakina toko roa na telo ao amin'ny Baiboly, hiram-pivavahana sy
hira ary "famporisihana" (teny fampaherezana) mifototra amin'ny
Baiboly. Rahalahy iray hafa no hiteny
isa-kerinandro.
(Efesiana 5:19; 1 Timoty 4:13; Hebreo 3:13)
Ny
fandraisana anjara amin'io fivoriana io no ivon'ny fiainana ara-pinoanay. Ny
ankabeazan'ny firenena rehetra dia manao io fivoriana io amin'ny andro Alahady,
kanefa mety atao amin'ny andro hafa ihany koa izany (ohatra: Asabotsy any Népal
ary Zoma any
(Asan'ny Apostoly 2:42; 20:7, 1 Korintiana
16:2)
Ny
ankamaroan'ny sampana eo an-toerana ihany koa dia manao kilasy iray na maro ho
fianarana Baiboly amin'ny hariva mandritra ny herinandro ary hetsika ho an'ny
Tanora ihany koa.
Ny
fianarana Baiboly.
Ny
Fiangonana Kristadelfiana dia tsy manana sekoly ara-teolojika na seminera, fa
hosolon'izay kosa dia misy ny Sekolin'ny Baiboly ho an'ny mpikambana rehetra.
Isan-taona dia maro ny Fiangonana Kristadelfiana izay mandany herinandro iray
na faran'ny herinandro maromaro any amin'ny Sekolin'ny Baiboly na any amin'ny
Lasy Fianarana Baiboly izay atao any amin'ny efitrano hofaina amin'ny
oniversite na amin'ny fiangonana hafa. Any amin'ireny fianarana ireny dia
matetika misy mpanao lahateny roa na telo izay hiresaka momba ny hevitra maro
isan-karazany ao amin'ny Baiboly.
Fandaminana
Miahy
ny tenany manokana ny 'fivoriam-bavaka' tsirairay. Tsy misy 'mpitarika'
nasionaly na iraisam-pirenena na 'birao foibe'. Kanefa, ny Fiangonana
Kristadelfiana dia mifampizara finamanana maneran-tany izay mifototra amin'ny
finoana iombonana. Amin'izay dia mitovy bebe kokoa amin'ny fianakaviana ny
fifandraisana eo amin'ny samy vondrom-bavaka raha oharina amin'ny an'ireo
fiangonana mahazatra. Io no modely ao amin'ny Testamenta Vaovao.
(Efesiana 3:15; 4:1-6, Jaona 1:6-7)
Ny
fiangonana tao Jerosalema tany am-boalohany dia nanana loholona roa ambin'ny
folo izay mpiandraikitra ny "fitoriana ny teny" (fitoriana sy
fampianarana) ary diakona fito mpiandraikitra ny "fanompoana ny
latabatra" (fifanampiana). Torak'izany ihany koa, ny fiangonana tany
Efesosy dia nanana mpiahy (ara-bakiteny "eveka"), izay midika hoe
loholona. Izahay dia mampiasa ny modely mitovy amin'izay ka misy fivondronana
rahalahy ao anatin'ny fivoriam-bavaka tsirairay izay mpiandraikitra ny
fitantanana ny fivoriam-bavaka. Izahay dia tsy manana pastora voakarama.
(Matio 23:8-11, Asan'ny Apostoly 1:23,
6:1-6, 20:28)
Asa fitoriana
Ny
fivoriam-bavaka tsirairay dia miezaka ny mitory ny vaovao mahafaly momba ny
Fanjakana ary mampianatra ny anaran'i Jesosy Kristy ao anatin'ny faritra misy
azy ireo.
Asan'ny Apostoly 8:12, 28:31; 2 Timoty 4:2
Ny
mpikambana sasany dia mandeha mankany ampitan-dranomasina mba hitory sy hanampy
ireo rahalahy sy rahavavy any. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo dia tsy
karamaina.
(Asan'ny Apostoly 20:33-34; 1 Tesaloniana
2:9)
Ny
Fiangonana Kristadelfiana dia mikarakara Semineran'ny Baiboly sy Lasin'ny
Baiboly any amin'ny firenena maro ary mizara
lahatsoratra sy gazety boky mikasika ny Baiboly izay maimaim-poana.
Tahaka an'i Paoly dia tanjonay ny "mitory ny Filazantsara
maimaimpoana".
(1 Korintiana 9:18)
Fanasana
Ny
Fiangonana Kristadelfiana dia vondrona mifandray am-po izay miasa amin'ny
fanompoana an'Andriamanitra na inona na inona fomba ahafahanay manao izany.
Raha
toa ka tianao no hahazo fanazavana fanampiny dia azonao atao ny mijery ny
tranokalanay:
http://www.thisisyourbible.com/
na
manorāta aty amin'ny:
Christadelphian Bible